Farafangana : Roa lahy nahatrarana vola sandoka

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ireo roa lahy nampiasa sady nanaparitaka vola sandoka mitetina 4 260 000 Ar, tao amin’ny fokontany Amboanio, kaominina Fara­fangana, ny alin’ny zoma 24 avrily teo. Naharay fampahafantarana avy tamin’ny tsara sitrapo ny polisy fa misy olona manaparitaka vola sandoka ao an-tanàna. Miisa roa ireo olona ireo ary saika vola sandoka avokoa no ampiasain’izy ireo. Niroso tamin’ny fisamborana ireo olona ahina ho manao io asa ratsy io ny ekipan’ny polisim-pirenena mi­asa ao an-toerana. Sarona ireo voarohirohy ary natao fisavana. Nahatrarana vola sandoka 20 000 Ar miisa 213 teny amin’izy roa lahy. Mito­taly 4 260 000 Ar io vola sandoka nokasaina haparitaka tao Farafangana io. Araka ny fanadihadiana lalina nataon’ny polisy, mpivahiny fotsiny ihany ireto olona voasambotra ireto. Nikasa hanaparitaka io vola sandoka io tao Farafan­gana izy roa lahy ary handositra moramora rehefa mahazo kanjo tratra. Marihina fa helohin’ny lalàna hisazy mandra-pahafaty ny fanaovana vola sandoka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Andrasana ny tohin’ity tranga ity.

Tsiferana R.

Partager sur: