Tetikasa Produir : Fotaka 100 000 m3 no efa nalana tamin’ny tatatra 10 km

Anisan’ny tetikasa goavana ny Produir, fanadiovana ny lakandrano C3, isorohana ny fiakaran’ny rano eny amin’ny faritra iva, eto an-dRenivohitra. Madiva hifarana ny asa ary azo tsapain-tanana ny zava-bita sy ny vokatra.

Mitohy ny asa fanarenana ny fotodrafitrasa tanterahin’ny tetikasa Produir, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Miaraka manatanteraka azy ny Kaomi­nina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fa­nanantany (MATSF). Anisan’ ny asa ifantohany ny fanadiovana ny lakandrano C3, mirefy 12 km, miampy 900 metatra amin’ny lakandrano Andrian­tany. Natao rarivato sy simenitra ny sisiny, andaniny roa, mahatratra 4,8 km, sady na­siana lalana vaovao ho an’ny mpandeha an-tongotra. Nilaza ny mpandrindra ny tetikasa Produir, Rasolofojaona Haja, fa “efa vita ny fanamafisana ny sisin’ny lakandrano, natao rari­vato sy simenitra, mirefy 10 km. Mahatratra 120 000 m3 no hoesorina amin’ny lakandrano C3, ka ny 90%, izany hoe, ny 100 000 m3 no efa afaka, na­toby any Iarinarivo, Ambohi­dra­trimo. Ho vita amin’ny volana mey 2026 io ambiny io”.

Fanentanana ny mponina
Hatolotra ny CUA sy ny Apipa ny fitantanana ny fotodrafitrasa avy eo. Hovitaina amin’ny faran’ny volana jona 2026 ny fanonerana ireo tompon-tany any Iarinarivo.
Misy ny hetsika manokana, fanentanana ny mponina eny amin’ny faritra iva, hitandro ny fahadiovana sy ny tontolo iainana. Natomboka ny 24 avrily teo izany, teny Anda­vamamba Anjezika. Nahitana lalao samihafa, fifaninanana ho an’ny mpianatra, fitetezana tanàna, sns.
Anisan’ny asa ataon’ny tetikasa Produir ihany koa ny fanatsarana sady fanarenana ny farihy fitahirizana rano avy any amin’ny tatatra eny Ano­sibe sy Andavamamba ary ny sisin’ny reniranon’Ikopa sy Sisaony. Tafiditra ao anatin’izany ny nananganana trano fonenana vaovao eny Anda­va­mamba, ho an’ny mponina nanamorona ny renirano teo aloha.

Njaka Andriantefiarinesy.

Partager sur: