Tenisy – WTA 125 K : Resin’i Lilli Tagger i Tiantsoa Sarah

Niatrika fifaninanana amin’ ny taranja tenisy indray ilay Malagasy mpilalao tenisy mi­zaka ny zom-pirenena frantsay, Rakotomanga Tiantsoa Sarah. Omaly, nifaninana tamin’ny WTA 125 K, natao tany ST Malo, ny tovovavy. Resy teo amin’ny dingana ampaha 16-ndalana izy. Lavon’ilay aostralianina, i Lilli Tagger. Nion­drika tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0 ; 6/4) ny tovovavy. Tsy niady ny seta voalohany satria tsy nahazo mihitsy izy na lalao iray aza. Niezaka niarina teo amin’ny seta faharoa i Sarah saingy tsy azony ny seta na nahazo lalao 4 aza, izy. Na­nantombo teo amin’ny fahaiza-manao ilay mpifanandrina ta­miny, indrindra fa ny “service”. Laharana faha-91 maneran-tany rahateo i Tagger. Tsia­hi­vina fa vao 18 taona monja ity aotrisianina ity, ary efa nandrombaka ny “tournoi” ho an’ny sokajy “junior”, natao tao Roland Garros, ny volana jona 2025. Marihina fa samy tsy niatrika ny fifanintsanana izy mirahavavy ireto.
Na teo aza ity faharesena nahazo an’i Tiantsoa Sarah ity, tsy mifarana eo akory izany ho azy fa mbola hiatrika ny fifanintsanana eo amin’ny olon-droa miaraka izy. Hiara-dalana amin’ilay frantsay, i Elsa Jacquemot, izy amin’ity anio talata ity. Hifanandrina amin’ilay japonezy, i Eri Ho­zumi sy ilay taioanezy, i Wu-Fang Hsien, izy ireo eo amin’ ny dingana ampahavalon-dalana.

Tompondaka

Partager sur: