Tranga hafahafa : Ankizivavy 50 isa voan’ny ambalavelona

Ankizivavy manodidina ny 50 isa nitrangana aretina hafahafa toy ny ambalavelona tany Mahajanga, omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora. Mpianatra eo anivon’ny sekolim-pinoana iray any an-toerana izy ireo. Nitabataba, nitsipatsi­paka ary nitomany ireo ankizy lasibatra ireo. Niafara tamin’ny fahasemporana sy fahatoranana mihitsy izany avy eo, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Ankizy iray tao amin’ny kilasy fahavalo no niatombohan’ny aretina. Nikia­kiaka tampoka ary nihasempotra sy torana izy io teo am-pilaharana, raha ny fanazavan’ny mpianatra. Nifindra sy nipari­taka haingana be tamin’ireo ankizivavy tao amin’ny kilasy hafa izany avy eo. Nambaran’ireo mpianatra fa ifindran’ny aretina ireo ankizivavy mijery ilay marary sy matahotra. Efa tonga teny an-toerana ny mpitondra fivavahana. Nanao rojom-bavaka sy nanala ny fanahy ratsy ary nanipy rano voahasina tamin’ireo ankizy ireo. Tonga teny an-toerana ihany koa ny polisy ary ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Nalefa nody ny mpianatra ary naato ny fampianarana tao an-toerana ny tapany hariva.
Marihina fa efa nisy ankizivavy iray mpianatra ao amin’ny sekoly io no efa nanana aretina torantorana. Nihetsika tampoka teny am-panaovana taranja fanatanjahantena izy io, ny zoma 24 avrily lasa teo. Mbola nihetsika ihany koa izany rehefa tonga tany am-pianarana ny zoma hariva.

Mino

Partager sur: