TSELATRA

Trano lehibe iray misy rihana nirehitra tetsy Mahamasina, omaly. Nifamonjen’ ireo mponina manodidina ny famonoana ny afo. Niatrana teny an-toerana rahateo ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina. Tsy nisy aina nafoy.
Nosamborin’ny fokonolona ireo roa lahy tratra nangalatra henan-kisoa tao amin’ny fahorian’olona tao Tanamahalana, kaominina Ambositra, omaly. Mbola sarona teny an-tanan’izy roa ireo ny hena manta avy nangalariny.
Vehivavy iray hita faty teny 67 Ha Avaratra Atsinanana, afakomaly. Tsy fan­tatra mazava ny antony nahafaty azy. Nitsirara teo amoron’ny arabe tsy lavitry ny fiantsonan’ny taxi-be io vehivavy hita faty io.
Dahalo iray niova fo nanatitra fitaovam-piadiana mahery vaika teny anivon’ny biraon’ny polisim-pirenena tao Namorana, kaominina Ambovombe Centre, distrikan’i Manandriana, faritra Amoron’i Mania, ny 20 avrily lasa teo. Mitohy ny fanentanana sy fisafoana an’ireo toerana voasokajy ho faritra mena ataon’ny polisy ao amin’ity distrika ity.

Partager sur: