Dih’Art : Mankalaza ny faha-25 taonany

Ao anatin’ ny fankalazana ny faha-25 taona nijoroany amin’izao ny Dih’Art Madagascar, toeram-pampianarana mandihy, tarihin-dRandrianarisoa Rijamanitra. Ho fanokafana izany, hisy ny fiarahana voalohany, ny 1 mey izao, ao amin’ny Studio Dih’Art eny Antanimena. Ireo rehetra mpikambana, ray aman-dreny sy izay rehetra efa nandalo tao amin’ny Dih’Art no asaina amin’izany, raha ny fanazavan’ny mpitantana. Hatomboka amin’ny fotoam-bavaka ny fihaonana amin’io andro io, izay hanomboka amin’ny 10 ora maraina. Hisy koa ny fiaraha-misakafo amin’ny 12 ora atoandro. Dihy, korana, lalao ary zumba kosa no hanohizana ny fiarahana ny tapany hariva.
Hitohy amin’ny lanonana lehibe izay hatao eny amin’ny CCI Ivato ny fankalazana, ny 2 aogositra izao. Io no ivon’ny fankalazana izao faha-25 taonan’ny Dih’Art. Tsiahivina fa manodidina ny 80 eo ny isan’ny mpianatra mandihy ao amin’ny Dih’Art Madagascar.

Mi.Raz

 

Partager sur: