«Misy ny etika sy ny deontolojia momba ny fitsipi-pitondran-tenan’ny miaramila. Tsy misy baiko avy amin’ny fitondram-panjakana sy ny fitantanana eto anivon’ny Tafika Malagasy ny asa ratsy nataon’ireo miaramila voarohirohy tamin’ilay raharaha fanafihana teny Ambodihady», hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Razafitombo Maminirina Ely, omaly raha nitondra fanazavana fanampiny momba ny raharaha fanafihana mitam-basy teny amina tobin-tsolika iray eny Ambodihady nataona andiana miaramila sy sivily. Nomarihiny fa toy ny olom-pirenena rehetra ny miaramila. Noho izany, eo ambanin’ny lalàna manan-kery eto amin’ny firenena. «Izay mandika lalàna sy mihoa-pefy dia mandray ny sazy mifanaraka amin’ zay nataony, ankoatra ny sazy miaramila», hoy hatrany izy. Misy, araka izany, ny fitsipi-pifehezana mifehy ny miaramila tsirairay ary tsy vaovao amin’izy ireo izany, raha ny nambaran’ity manamboninahitra ity. Mifantoka amin’ny asa fiarovana ny firenena, ny andrimpanjakana ary ny vahoaka sy ny fananany ny andraikitra sahanin’ny miaramila. Miandry ny fanadihadiana sy ny eo anivon’ny fitsarana amin’ny sazy miandry azy ireo eo anatrehan’ny lalàna, araka izany, ny eo anivon’ny Foloalindahy. Marihina fa nosokafana omaly eny amin’ny Cemes Soanierana ny atrikasa fanohizana ny fikaonandohan’ny Tafika Malagasy. Efa natomboka roa volana lasa izay ity atrikasa ity. Mialoha izao, nisy ny fakan-kevitra sy fanangonana ny hetaheta avy amin’ireo miaramila manerana an’i Madagasikara. Ny famintinana ireny no atolotra mandritra ny atrikasa. Haharitra roa andro ny atrikasa ka amin’ny famaranana dia aravona sy apetraka ny paikady rehetra hitondra fanatsarana sy fanavaozana ny Tafika Malagasy, araka ny fanazavan’ny MFA.
Jean Claude




