Ny fanjakana no handray an-tanana ny fanarenana ny Rova may. Nisy ny fiaraha-midinika tamin’ireo taranaka eny an-toerana sy ireo mpitan-kasina isan-tsokajiny, ho an’izay fanarenana izay.
Fahavalon’ny vakoka ny afo. Indrisy, niharan’ny fahamaizana ny Rovan’i Marovatana, eny Ambohidratrimo, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Avy hatrany dia nandray ny fepetra manoloana ny tranga ny fitondram-panjakana. Vaovao lehibe koa, satria namoaka fanambarana, omaly, ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, fa hatao laharam-pahamehana ny fanarenana, ary amin’ny endriny araka ny tantara ihany.
«Vakoka manan-tantara lehibe ny Rova, sady anisan’ireo toerana miorina amin’ireo tendrombohitra roa ambin’ny folo izay manana lanja ara-tantara sy kolontsaina lalina eo amin’ny firenena. Ny filohan’ny Fanavaozana dia efa nanambara fa taonan’ny fanomezan-kasina ny kolontsaina ny taona 2026”, hoy ny votoatin’ny fanambarana. Mazava loatra fa voatsindry tao koa ny mahakasika ny fanenjehana sy ny sazy henjana miandry ireo nahavanon-doza.
Fandoroana niniana natao? Mirona amin’izay aloha ny tombana sy ny fanadihadiana voalohany, izay nohamafisin’ireo tomponandraikitry ny Rova ihany koa. Ny antony, ny valin’ny fanadihadiana no hamaly azy.
Mirona amin’ny hoe fandoroana niniana natao, ho fanimbazimbana ny toerana amin’ny maha vakoka sy mitahiry ny fototra, kosa ireo mpitan-kasina. Nifamotoana teny an-toerana izy ireo, omaly. Teo ihany koa ireo taranak’andriana sy mponin’i Marovatana. Somary nisy fifandonana ara-kevitra teo amin’izay famerenan-kasina izay, saingy niravona ihany rehefa nifampiresaka ny roa tonta.
Zo ny Aina




