“Miara-mientana isika ho an’ny filaminana ara-tsaina sy ara-tsosialy eny amin’ny toeram-piasana”. Io ny lohahevitra ifantohan’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny soro-doza sy ny fahasalamana eo amin’ny sehatry ny asa.
Nisy ny fidinana ifotony notanterahan’ny minisiteran’ny Asa teny amin’ny orinasa tsy miankina, niarahana tamin’ny Cnaps sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ireo mpiandraikitra manokana ny voina mahazo ny mpiasa, toy ny Ostie sy ny Amit.
Hanentana eny amin’ny minisitera maromaro ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka momba lohahevitra mahakasika ny asa sy ny mpiasa ary ny mpampiasa. Anisan’izany ny fandaminana ny toeram-piasana sy ny fomba fiasana mba hiarovana ny vatana sy ny saina. Tontolo tsy misy fanerena tafahoatra, misy fifanajana sy fahatoniana, fiaraha-miasa tsara. Eo koa ny fisorohana ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy. Ny karazana onitra noho ny loza ateraky ny asa. Ny zon’ny olona manana fahasembanana eny amin’ny sehatry ny asa. Ny fotoana hahafahana miasa rehefa marary, matetika mbola misy karama na ampahany aminy…
Tatiana A




