Mois : avril 2026

Rugby – Top 12: Hanala vela amin’ny Cosfa ny TFA Anatihazo

Hitohy amin’ny alahady 3 mey ho avy izao ny fiadiana ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby «Top 12». Toy ny mahazatra, hampiantrano izany ny Kian­ja Makis Andohata­pe­naka. Anisan’ny fihaonana andrasan’ny rehetra ny fihaonana eo amin’ny Cosfa (Be­baoty) sy ny TFA Anatihazo (Pilo kely). Hanala vela amin-dry zareo […]

Filazantsara an-kira : Manohy ny lalany ny tarika Andon’ny Natiora

“… Sady hihira am-panahy no hihira ara-tsaina koa aho” (I Korintiana 14: 15 b). Teny filamatra ho an’ny tarika An­don’ny Natiora, izay nijoro tamin’ny taona 2014, tao Fort-Dauphin io. “Andon’ny Na­tiora, anarana nosafidianay, entina milaza fa hatramin’ny zavaboahary kely sy bitika indrindra aza dia manana ny anjara asany ho amin’ny […]

Taorian’ny fahamaizana : Harenina ny Rovan’ Ambohidratrimo

Ny fanjakana no handray an-tanana ny fanarenana ny Rova may. Nisy ny fiaraha-midinika tamin’ireo taranaka eny an-toerana sy ireo mpitan-kasina isan-tsokajiny, ho an’izay fanarenana izay. Fahavalon’ny vakoka ny afo. Indrisy, niharan’ny fahamaizana ny Rovan’i Marovatana, eny Ambohi­dratrimo, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Avy hatrany dia nandray ny fepetra manoloana […]

Eny amin’ny hopitaly: Mandrangaranga fitokonana ireo “internes”

Manoloana ny tsy fahazo­an’ireo “internes qualifiants” sasany any amin’ny faritra ny tambin-karama ara-potoana, mandrangaranga fitokonana indray izy ireo ho fanairana ny fanjakana. Tsy mbola nisitraka ny tambin-karamany ny any Toliara, Toamasina, Ma­hajan­ga ary Fianarantsoa. Efa na­hazo ny anjarany kosa ny eto Antananarivo sy Antsi­ra­nana. Raha tsy mandray ny volany ireo […]

Tetikasa Mafy : Nohamafisina ny fikarakarana ny AVC

Mitohy anio ny fampiofanana sy fizarana traikefa ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana miandraikitra ny fitsaboana ny fahatapahana na fahatsentsenan’ny lalandra (AVC), toy ny kinésithérapeute, neurologue, anesthésiste réanimateur, orthophoniste, ergothérapeute… eny anivon’ireo hopitaly lehibe. Anisan’izany ny eny amin’ny CHUJRB, CHUJRA, CenHoSoa ary ny CHUAM. Fiaraha-miasa amin’ny ONG Doctors For Madagascar, amin’ny alalan’ny […]