Mois : avril 2026

Rafitra fifanakalozana nasionaly “Rahaka”: Hanamorana ny fomba fiasa amin’ny fitantanana

Hampitsahatra ny fomba fiasa misaratsaraka ny tanjona nametrahana ny “Rahaka”. Rafitra iombonana hanamorana ny dingana sy ny asam-panjakana. Nampahafantarina omaly, teny Ivandry, ny rafitra fifanakalozana nasionaly “Rahaka”, hanatsarana ny tolotra ho an’ny va­hoaka mpisitraka. “Napetraka ny lalàna mifehy sy ny fahafahana rehetra mampifandray ny angon-drakitra any amin’ny andrimpanjakana sy ny […]

Karaman’ny sehatra tsy miankina: Tompon-teny farany ny fanjakana

Andrasana ny 1 mey fara-fahatarany ny didim-panjakana hametra ny karama farany ambany ho an’ny fandraisana mpiasa (SME) eo anivon’ny sehatra tsy miankina. Tsy mbo­la voafaritra ny fiakarana, tsy mbola fantatra ihany koa ny fanapahan-kevitra nifanarahan’ireo mpisehatra voakasika. Mbola naverina nodinihina ilay fanapahan-kevitra tapaka nandritra ny dinika natao tamin’ny volana febroary. […]

Niomerika ; Solosaina 100 ho an’ny MSK sy ny ORTM

Nahazo solosaina miisa 100 avy amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) ny minisiteran’ny Kolon­tsaina sy ny serasera (MSK) sy ny ORTM, ny alatsinainy teo. Hetsika mifanandrify amin’ny herinandron’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny haino aman-jery ho an’ny daholobe. Hanafainganana ihany […]

Tranon-tseranana nasionaly Ivato : Nitombo avo roa heny ny fandraisana mpandeha

Manana ny lanjany ny zotra ana habakabaka anatiny, na nasionaly, eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Vao mainka hampiroborobo azy ny nanitarana ny fotodrafitrasa tranon-tseranana fandraisana ny mpandeha. Notokanana, omaly ny fanavaozana sady fanitarana ny tranon-tseranana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Antana­narivo. Nohalehibiazina ny efitrano malalaka, ka afaka mandray mpandeha avo roa heny, […]

FANTINA sy FINTINA

Haka traikefa any Rosia ny Ceni. Nandray anjara tamin’ny fiofanana momba ny fanaraha-maso ny fifidianana notanterahina tany Rosia ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry. Tafiditra ho anisan’ny mpikambana i Madagasikara, taorian’ity fampiofanana ary nahazo fanasana hanara-maso ny fifidianana depiote, hatao any Rosia, ny volana septambra izao. Voafidy ho ben’ny Tanàna lefitra […]