Mois : avril 2026

INDRAY MIJERY

Mandray anjara amin’ny Tsapiky festival ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony, amin’ny alalan’ny oniversiten’i Toliara. Hisy «Conférences scientifiques” hanehoana ny voka-pikarohana momba ny Tsapiky sy ny maha harembakoka iraisam-pirenena tsy azo tsapain-tanana azy. Hiarahana amin’ireo mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Toliara izany. Hanao diabe ara-kolontsaina koa ireo mpianatry ny Oniversiten’i Toliara […]

Dépôt de médicament: Nohamafisina ny traikefan’ireo mpitantana

Ho fanatsarana hatrany ny tolotra eny amin’ireo toeram-pivarotam-panafody na ny dépôt de médicament, nomena fiofanana, izay iarahana amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoka, ireo mpitantana. «Manodidina ny 1 400 ireo toeram-pivarotam-panafody manerana ny Nosy, mamaly ny filan’ireo mpanjifa, indrindra any ambanivohitra sy amin’ireo toerana tsy ahitana farmasia», araka ny fanazavan’ny filohan’ny vondrona mpivaro-panafody […]

Fanomezan-danja ny fikarohana: Nitsidika ny Ioga ny minisitra mpiahy

Ao anatin’ny vina fampiroboroboana ny fikarohana, nitsidika ny “Institut et observatoire de géophysique d’Antanana­rivo” (Ioga) ny minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambo­ny sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, tamin’ity herinandro ity, teny Ambohi­dempona. Nanotrona azy teny an-toerana ny delegasionina notarihin’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo sy ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa. Notsidihina […]

Orinasa mpamokatra fanafody: Misokatra anio ny fivorian’ny farmasianina

Marary ny orinasa malagasy mpamokatra fanafody amin’izao fotoana izao. Tamin’ny taona 1960 ka hatramin’ny 1990, nitazona ny 40% ny tsenan’ny fanafody ny orinasa mpamokatra fanafody Farmad. Karazam-panafody sy vo­katra fikojana tarehy, volo, hoditra niisa 150 no novokarin’ity orinasa ity teto an-toerana. Ankehitriny, 15 eo ho eo sisa ny fanafody volavolainy […]