Mois : avril 2026

Rugby Aroi : Manjakazaka ny Makis an’i Madagasikara

Tontosa omaly, tetsy amin’ny Kianja Makis Andoha­tapenaka ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondakan’ ny ranomasimbe Indiana, taranja rugby lalaovin’olona 7, sokajy zandriny, U18, vehivavy sy lehilahy ary U16, lehilahy. Fifaninanana karakarain’ny fikambanan’ny rugby aty amin’ny ranomasimbe Indiana (Aroi) izy ity. Raha ny vokatra ho an’ity fanombohana ity, manjakazaka ny […]

Kianja Barea Mahamasina : Mety hovaina «synthètique» ny bozaka filalaovam-baolina

Hatao artifisialy (synthètique) ny bozaka natoraly ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, araka ny fanadihadiana natao tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré. Efa miroso amin’ny fikarakarana izany ny fanjakana, ankehitriny. Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasa­m­bany Alain Désiré, omaly, teny Ambohijatovo, fa manana […]

Andravoahangy: Vary simba 13 kitapo tratra teny an-tsena

Hentitra. Manara-maso ny tsena sy ny vidin’entana, amin’ izao ankatoky ny fetin’ny Paka izao, ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana. Tratra, nandritra ny fidinana ifotony nataon’ ny minisitra Andriamadison Haingotiana sy ny ekipa mpiara-miasa aminy, omaly, teny amin’ny tsenan’Andravoa­hangy ireo vary simba 13 ki­tapo tsy azo hamidy intsony. “Misy lena […]

CEO Summit 2 : Hetsika ara-toekarena goavana aty amin’ny ranomasimbe Indiana

Hatao ny 9 sy 10 avrily ho avy izao, eny amin’ny Novotel Ivandry, ny fihaonambe ara-toekarena CEO Summit, karakarain’ny Becom sy ny Sen­dikan’ny indostria eto Mada­gasikara (Sim). Lohahevitra noraisina ny hoe, « foto-kevitra vaovao, vina vaovao, sahia mikaroka zava-baovao ho an’ny hoavy ». Fotoana hihaonan’ny mpisehatra ara-toekarena samihafa, ahitana mpitarika, […]