Kianja Barea Mahamasina : Mety hovaina «synthètique» ny bozaka filalaovam-baolina

Hatao artifisialy (synthètique) ny bozaka natoraly ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, araka ny fanadihadiana natao tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré. Efa miroso amin’ny fikarakarana izany ny fanjakana, ankehitriny.

Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasa­m­bany Alain Désiré, omaly, teny Ambohijatovo, fa manana vina ny hanova ny bozaka ao amin’ny Kianja Mahamasina ho artifisialy «synthètique», ny fanjakana. Tapaka taorian’ny dinika nataon’ny teknisianina avy amin’ny MJS sy ny Fe­derasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) ary ny orinasa Kianja Barea Maha­masina (KBM) izany rehefa nozahana ireo lafin-javatra maro. Notsiahivin’ny minisitra fa efa nisy ny fanadihadiana natao tamin’ireo karazana bozaka telo hanaovana safidy. Na hajanona amin’io bozaka natoraly io, na hatao ho bozaka safiotra ary farany ny «synthètique». “Rehefa nojerena ny fikolokoloana sy ny fandaniana ary ny faharetan’ireo karazana bozaka ireo, ny «synthètique» no azo raisina sy maharitra ary afaka handraisana lalao maro”, hoy ny minisitra. Efa miroso amin’ny fanaovana tolobidy amin’ny tsenambaro-panjakana ny mi­nisitera, ankehitriny ary rehefa hita ilay orinasa afaka hiandraikitra izany vao hanafatra ilay bozaka «synthètique». Vinavinaina hanomboka ny volana mey ny asa ary heverina ho vita amin’ny jolay. Nomarihiny fa ilay mifanaraka amin’ny fenitry ny Fifa sy ny Caf io hafarana io. Raha nanontaniana mahakasika iza­ny ny tomponandraikitry ny FMF, nilaza fa efa nisy ny fifampiresahan’izy ireo tamin’ny minisitera, saingy tsy mbola tonga any amin’ity rafi-panjakana ity ny taratasy milaza izany amin’ny fomba ofisialy. Mikasa ny hanao lalao ara-pirahalahiana eo amin’izany kianja izany ny Barea ny volana jona ho avy izao, araka ny tsilian-tsofina mandeha.

Fitia Randria

Partager sur: