Mois : avril 2026

Voalaza fa hanonganam-panjakana : 20 miliara Ar nahodina tao amin’ny FSM

Nohamafisin’ny minisitry ny Fitsarana, omaly, fa tena nisy ilay fikasana hanongam-panjakana. Misy ifandraisany tamin’ilay 20 miliara Ar, voalaza fa voahodina tao amin’ny Fonds souverain Malagasy izany. “Misy ifandraisany satria anisan’ny nikononkonina fanonganam-panjakana sy hamono ny filohan’ny Fanavaozana mivady ny mpitantana tao anatin’ny FSM, ary nampiasa ny vola tao amin’ny FSM […]

Nanodinkodina zaza : Lehilahy iray naiditra am-ponja

Notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray tratra nanodinkodin-jaza tsy ampy taona tao amin’ny kaominina Ambositra, ny 1 avrily lasa teo. Naharay fitarainana avy amin’ny ray aman-drenin’ny ankizivavy iray mbola mpianatra eny amin’ny Lycée ao an-toerana, ny polisim-pirenena. Notazomin’io lehilahy io antsokosoko tany aminy io ankizivavy izay mbola mpianatra io. […]

Betongolo : Lehilahy tratra nangalatra bisikileta

Lehilahy iray nangalatra bisikileta tetsy Betongolo voasambotry ny polisim-pirenena, omaly maraina tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany tany ho any. Nikasa hangalatra moto iray nipetraka teo akaikin’ny EPP Betongolo ity farany. Nahatsikaritra ny fihetsiny hafahafa ny mponina ka nampandre ny polisy avy amin’ny Kaomisarian’ny Boriborintany fahatelo (CSP3) avy hatrany. […]

Kamiao mpitatitr’entana nivadika : Mpanampy mpamily tapaka ny tapany ambany

Nifampisokirana tao anatin’ny kamiao mpitondra entana nivadika, ny lehilahy iray, omaly, teny Manjakandriana. Tery nandritra ny dona ny mpanampy mpamily ka tapaka tanteraka ny tapany ambany. Samy naratra avokoa moa izy sy ny mpamily. Nisehoana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, omaly, tamin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. Nitran­ga teo […]