Mois : mai 2026

Herinandron’ny Fianakaviana Sambatra : Hisy tolotra fandrindram-piterahana maimaimpoana

Hosantarina ny alatsinainy ho avy izao ny “Herinandron’ny Fianakaviana Sambatra” eto Antananarivo sy any amin’ ny faritra rehetra misy ny fikambanana. Hanamarika izany ny he­tsika ofisialy eny amin’ ny foiben-toeran’ny fikambanana eny Ambatomi­tsangana. Eo koa ny fanadiovana faobe ataon’ny tanora avy amin’ny Centre des jeunes Andoharanofotsy eny amin’ny CSB II […]

VAOVAO TAMBATRA

Mpampiasa vola sy mpandraharaha maorisianina hatrany amin’ny 50 no ho tonga eto Madagasikara mandritra ny “Moris-Mada Business”. Hetsika ara-toekarena atao ny 2 ka hatramin’ny 5 jolay. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Maorisy amin’ny alalan’ny fampifandraisana ireo mpandraharaha, mpampiasa vola ary sehatra samihafa. Hampahafantarana an’ireo mpandraharaha maorisianina […]

GetHumancall: Hanohana ny mpianatry ny EPP

Nitondra fanantenana vaovao ho an’ny Sekolim-panjakana ambaratonga fototra (EPP) ao Ambodiafontsy Am­pitatafika, ny hetsika nataon’ny GetHumanCall, amin’ny alalan’ny tetikasa Fandraisan’ an­draikitra ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana (RSE) nataony. Mandray mpianatra miisa 288, ampianarina mpampianatra valo, ny sekoly. “Avy amina fianakaviana sahirana avokoa ny ankamaroan’ny mpianatra, misy amin’izy ireo no kamboty”, hoy […]

Ben’ny Tanàna Manandriana : Tokony hifampiresaka ny fanjakana sy ny Star 

Sahirana ny tantsaha mpamboly orge any amin’ny distrika Manandriana, faritra Amoron’i Mania. Antony, tsy mitsahatra mihena ny velaran-tany azo hambolena ity akora fototra ity, izay ilain’ny orinasa Star amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera. Mahatsapa izany ny ben’ny Tanàn’Ambatomarina, distrika Manandriana, Rianamboariny Jean Pierre. Namba­rany fa mitaraina ireo tantsaha satria mihena ny […]

Angovo maitso: Volavolaina ny fenitra mahakasika ny biogaz

Natao omaly, ny atrikasa fanombohana ny famolavolana ny fenitra nasionaly momba ny biogaz. Tanjona ny hampanaraham-penitra ity seha-pihariana ity, hiarovana ny mpampiasa ny angovo madio maharitra sady miaro ny tontolo iainana. Mikarakara ny atrikasa ny minisiteran’ny Ton­tolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd) sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo […]