Mois : mai 2026

FANTINA sy FINTINA

Hisy ny fandaharana manokana hataon’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Ran­drianirina Michaël, ny alahady 31 mey izao. Hano­mboka amin’ny 8 ora alina ny fandaharana ka anisan’ ny hampita izany ny eo anivon’ny TVM sy ny RNM. Eo koa ireo haino aman-jery tsy miankina hafa. Nitafa tamin’ny mpanao gazety rosianina, […]

famindrana fahefana amin’ny miaramila: Notsipahin’ny HCC

Namaly sy namoaka fanapahan-kevitra ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ny 28 mey teo. Anisan’ny nandraisan’izy ireo fanapahana ny fitorian’ny depiote, Rajerison Antoine. Nivoitra tamin’izany fa tsy azo raisina ny fitoriana napetrak’io solombavam­bahoa­kan’­­Arivonimamo, ny 13 mey lasa teo, io. Anisan’ny niompanan’ny fitoriana ny hampitsaharana ny filohan’ny Fana­vaozana ny […]

Miverina amin’ny taniny

  Miesona tanteraka ny valalabemandry! Noheverina fa efa mifoha kay mora lalaovina sy ampatoriana am-pitsanganana. Nanomboka nampametra-panotaniana ny fihodin’ny fanaovana politika. Nilaza tsy ho mpanao majia indray ny sasany fa mampiandry lava! Ny lazaina fa mpanjanaka sy tsy namana indray izao no lazaina fa ho mpiray ra amin’ny tena. Tsy […]

Minisitry ny Atitany : “Tsy manakana ny dinika ny fanendrena sefo fokontany”

Anisan’ireo minisitra telo voalohany nifanatrika mivantana tamin’ireo depiote teny Tsimbazaza, omaly, ny minisitry ny Atitany, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray. Anisan’ny nitondrany valinteny ny momba ny sefo fokontany. “Ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny didim-panjakana: fanendrena lehiben’ny fokontany”. Io ny valintenin’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velon­jara Tiaray. Ny didim-panjakana talohan’izay, […]

TSELATRA

Mpampianatra lalàna iray naiditra vonjimaika eny am-ponja, omaly, rehefa avy niakatra teny anivon’ny fampanoavana anivon’ny fitsarana. Voarohihory tamin’ny resaka fisolokiana milaza fa afaka mampiditra mpiasam-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Tetibola izy. Efa nahazoany vola maro ireo olona voasolokiny. Miara-miasa amin’ny tomponandraikitra ambony eto amin’ny firenena ny tenany. Lehilahy iray tratra nitondra […]