« Made in Germany 2026 »: Hizara ny kolontsainy ny Alemà

Tontolon’ny toekarena sy kolontsaina. Efa lasa lavitra noho i Madagasikara i Alemainina. Hizara ireo tombony ananany ry zareo mandritra ny foara « Made in Germany 2026 ».

Hotanterahina ny 9 mey ho avy izao, eny amin’ny Villa Berlin Amba­to­roka, ny andiany faharoa amin’ny foara « Made in Germany 2026 ». Hetsika karakarain’ny « Les amis de l’Allemagne » eto Madagasikara. Fotoana hanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena sy kolontsaina, fanjakana samy fanjakana, eo amin’i Madagasikara sy Alemainina. Entina hankalazana ny fifankatiavana sy ny finamanana eo amin’ny Ma­lagasy sy ny Alemà ihany koa io, raha ny fanazavan’ireo mpikarakara, izay nampahafantatra ny hetsika « Made in Germany 2026 ». Omena se­hatra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny tontolon’ny fiarakodia, ny indostria, ny fanabeazana sy fampianarana, ny fizahantany, ny kolontsaina… Hifantoka amin’ireo zava-baovao sy fikarohana nataon-dry zareo Alemà ny ranty. Maro rahateo ny Ma­lagasy manam-paniriana ny handeha ho any Alemainina.
Hampahafantatra ny « Tanz in den Mai » ny Alemà
Hahazo ampaham-potoana lehibe kokoa ny fampisehoana sy fifanakalozana eo amin’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Mandritra ity foara « Made iny Germany 2026 » ity no hampahafantatra ny momba ny « Tanz in den Mai » ry zareo Alemà. Ma­nana ny lanja lehibe ho an-dry zareo io « dihin’ny volana mey » io, satria, fotoana hidirana any amin’ny lohataona. Ireo dihy fahiny any an-toerana no dihizina amin’iza­ny. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa ny andiany fahatelo amin’ny fanatanjahantena « Freund Ki­tra ». Fifaninanana tanterahina ny 16 mey sy ny 17 mey, ho fanamafisana ny fifankatiavana sy ny firahalahiana eo amin’ny Malagasy sy ny Alemà.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: