Tsy nisy ny « Madajazzcar 2025 », noho ny korontana teto amin’ny firenena. Tsy nanakana ny fifaninanana « Tremplin Jazz » kosa izany. Natao hitiliana, avy eo hanasongadinana sy hanomezana sehatra, ireo talenta vao eo amin’ny jazz malagasy izy ity. Rehefa avy nandalo dingana maromaro, tontosa ny alakamisy teo, tetsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, ny famaranana. Nivoaka ho mpandresy tamin’izany ny Malagasy Band, avy any Antsirabe.
Samy sangany ireo nifaninana, saingy naharesy lahatra kokoa an’i Silo, Fanja Andriamanantena, Brigitte Rakotomalala, Njaka Rakotonirainy ary Tonny Toufa Loux, izy telo mirahalahy mandrafitra ny Malagasy Band. Samy nanasongadina ny talentany tamin’ny famaranana koa mantsy ry Korana Jazz avy any Toamasina sy ny Vahandanitra avy eto Antananarivo. Nanomana hira 3 avy izy ireo, Izay tsy maintsy nisy sanganasa noforonina iray, hahenoana loko malagasy.
Zo ny Aina




