Nosokafan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina, sy ny mpandrindran’ny fikambanana Fanjiry, izay fikambanana naorin’ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana ny “Cours maimaimpoana” ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE, BEPC ary bakalorea ao amin’ny Cisco Toamasina I sy Cisco Toamasina II, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanohanana sy hanampiana ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny mpianatra avy amin’ny sekolim-panjakana rehetra sy ny sekoly miahy tena sasantsasany ahafahan’izy ireo hiatrika am-pitoniana sy ho tsara fiomanana amin’ny fanadinana ofisialy. Nanentana ny ray aman-dreny handefa ny zanany hiatrika ny “cours maimaimpoana” ny minisitra ary nanolotra boky ho an’ny sekoly ao amin’ny Dren Atsinanana tao anatin’ny lahateniny.
Nandritra ny fidinana ifotony tao amin’ny Cisco Toamasina I sy Toamasina II ary ny Dren Atsinanana, nanara-maso ny fizarana ny fampitaovana sy ny tohana ara-bola ary ny fanarenana ny fotodrafitrasa an-tsekoly rava taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani koa ny delegasionina. Fampitaovana ahitana tafo fanitso 35 600, fitaovam-pianarana (kitapo, kahie, penina, pensilihazo, pensilihazo miloko, fitsipika…) 89 172 ary tohana ara-bola ho an’ireo mpampianatra ENF mitentina 300 000 Ariary isanisany miampy “tentes scolaires” 434 izany.
Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Banky iraisam-pirenena izany.
Vonjy




