Fiarovana ny tontolo iainana : Hisy hetsika manokana eto Antananarivo

Nanomboka tamin’ny sa­botsy hatramin’ny 10 mey 2026 ho avy izao ny « Festival de la nature ». Hetsika karakarain’ny Festive groupe, izay tanterahina eto Antananarivo. Tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny hetsika. Mifantoka indrindra amin’ny fanabeazana sy fanentanana ireo tanora an-tanàn-dehibe momba ny olana sy ny tokony ny hanajana ny tontolo iainana ny hetsika. Nosokafana tamin’ny Quiz nature, tarihin’i Julien Lepers, izay mandeha mivantana ao amin’ny fahitalavi-panjakana nanomboka omaly hariva. Mifantoka amin’ ny natiora mampiavaka an’i Ma­dagasikara ny fanontaniana rehetra. Ankoatra izay, hisy koa ny hetsika “Ma planète, je t’aime”, izay atao ao amin’ny Radisson Blu Ambodivona ny 4 ka hatramin’ny 8 mey izao, natokana indrindra ho an’ny mpianatra.
Ankoatra izay, hotanterahina ny 11 hatramin’ny 19 jolay 2026 ho avy izao ny « Festival des baleines ». Hetsika andiany fahasivy izay atao any Nosy Sainte Marie. Toerana ahitana sy manan-karena zava-boahary sy zava-mananaina isan-karazany izy io. Hetsika hanaovana fety sy fanentanana mahakasika ny tontolo iainana. Natao any amin’ny Nosy Sainte Marie ny hetsika satria any no toerana ahitana zava-mananaina an-dranomasina betsaka, raha ny fanazavan’ ny mpikarakara, ny sabotsy lasa teo, tetsy Ambodivona. Hisy ny seho maro toy ny « cirque », dihy ary hira sy ny maro hafa. Tanjona ny hampifandray ny kolontsaina, ny fizahantany ary ny fiarovana ny tontolo iainana.

Mino

Partager sur: