INDRAY MIJERY

Hihazo ny faritra Analanjirofo ny mission medico-chirurgicale, hampisitraka tolotra fahasalamana maimaimpoana ho an’ny vahoaka eny an-toerana. Ao amin’ny Hopitalibe Fenoarivo Atsinanana no handraisana ny hetsika ny 5 ka hatramin’ny 7 mey ho avy izao. Tolotra ara-pahasalamana isan-karazany ahitana fandidiana Hernie, Kyste, appendicite. Fitsaboana nify, ativava sy fitsaboana maso ary fizaham-pahasalamana ankapobeny no atolotra ny vahoaka mandritra ny hateloana.

Nandritra ny iray volana, hita taratra amin’ny isa ny zava-bitan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. 5 285 mahery ny voaofana sy narahina, antontan-taratasy ara-panjakana 3 816 mahery no voavaha, olom-pirenena 1 450 mahery nahazo tombontsoa tamin’ny fandaharanasa fampiatiana, tanora 1 000 mahery tafiditra amin’ny sehatry ny niomerika, nahazo mari-pahaizana voamarina 90 mahery tao Farafangana, ary mpisitraka 84 mahery amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana tao Mahafasa.

2,9% ny tahan’ny manam-pahaizana eto amintsika. Ambany ny taha raha mitaha amin’ny 12% aty Afrika, amin’ny mponina olon-dehibe. Mahatratra 40% kosa izany any Etazonia sy Japon, araka ny tatitry ny Unesco sy ny Banky iraisam-pirenena ny taona 2024. Mpianatra nahavita fianarana ambony ka nahazo diplaoma “licence” no ho miakatra no sokajiana hoe manam-pahaizana.

Partager sur: