Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina ny lalam-pirenena fahafito, afakomaly tamin’ny 9 ora maraina. Tao Mandikanamana, fokontany Antsahalava, kaominina Behenjy no nitranga ny loza.
Taxi-borosy iray avy aty Antananarivo, hihazo an’Ambatolampy no nihavian’izany. Nandeha mafy izy ary nikasa hisongona ny fiara teo alohany. Tsy nijery tsara ny lalana sy ny fiara tokony hifanena taminy ary tsy nampihatra ny fepetra tokony hisongonana ny mpamily, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandarimariam-pirenena.
Nifanena tamin’ny moto iray, notaingan’olon-droa ilay fiara. Vokany tsy afa-niala fa nifandoana mafy ireto farany. Nipitika niverina ilay moto voadona noho izany. Nifatratra sy nidona mafy tamin’ny fitaratry ny fiara fitateram-bahoaka iray, izay nanaraka azy avy aoriana ireo mpitaingina moto, roa lahy. Nipitika teny amin’ny sisin-dalana taorian’izay ireo niharam-boina. Maty tsy tra-drano ny lehilahy 36 taona sy 28 taona.
Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny zandarimaria miasa ao Ambatolampy. Entanina hatrany ny mpamily mba hanamarina tsara ny lalana mahitsy sy malalaka vao hisongona. Toy izay koa ny fahitana ireo fiara na moto mifanenana aminy. Mba hahafahana misoroka ny lozam-pifamoifamoivoizana tahaka izao.
Mino




