Notolorana mariboninahitra ny mpampianatra sy mpandraharaha mendrika teny Ankatso, tamin’ity herinandro ity, izay tafiditra amin’ny fankalazana ny faha-65 taona niorenan’ny oniversite teto Antananarivo. Anisan’ny karazany nomena ireo nahazo izany ny Grand croix 2ème ordre, Grand officier, officier ary Commandeur.
Mpampianatra 43 sy mpandraharaha 124 no nisitraka izany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny komity mpandrindra ny fankalazana 65 taona sady filoha lefitra misahana fikarohana eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo, Rabetokontany Nantenaina.
Arakaraka ny taona niasana no namaritan’ny fanjakana malagasy ny mariboninahitra homena ny tsirairay. Momba ny fanamarihina ny faha-65 taonan’ny oniversite kosa, ivon’ny fankalazana ny herinandron’ny 15 jona hanatontosana hetsika siantifika samihafa. Manana ny toerany koa ny kolontsaina ka ireo mpianatra no haneho fampisehoana. Zava-dehibe hiantsona ireo maintimolaly rehetra ny hetsika ara-panatanjahantena sy ny korana fiaraha-misakafo ny 19 jona ho avy izao. “Ny firaisankina ao anatin’ny fahasamihafana” no lohahevitra amin’ny fankalazana.
Vonjy




