Namoaka hira vaovao nampitondrainy ny lohateny “Voleuse” i Capitaine Makassa. Narafiny ao anatin’ny gadona “afro nation”. Maharitra 3minitra sy 55 segaondra eo ho eo izy ity. Navoaka amin’ny fitenim-pirenena miisa 7, toy ny teny lingala, espaniola, malagasy, frantsay, anglisy, swahili, amerikanina … Hira mitantara vehivavy iray nahababo ny fony na eo aza ny toetran’ilay vehivavy…
“Tanjona ny hanelezana ny zavakanto malagasy maneran-tany mba ho fantatr’izao tontolo izao fa manana ny maha izy azy isika… Miezaka manao zavatra tsara hatrany mba ho reharehan’ny firenena”, hoy ny nambaran’i Capitaine Makassa. Mpanakanto mivelatra amin’ny any ivelany i Capitaine Makassa ary efa maro ny fiaraha-miasa amin’ny vahiny, indrindra ny any Afrika . Misokatra ihany koa amin’ny fiaraha-miasa rehetra ity mpanakanto ity, raha ny fanazavany hatrany.
Fantatra fa efa miparitaka any amin’ny tambajotran-tserasera maro tahaka ny Youtube ity sanganasany vaovao ity. Misy amin’ireny rahateo no efa fantatra eo amin’ny sehatry ny firenena sy iraisam-pirenena.
Manohy ny fikarohany hatrany i Capitaine Makassa. Mampahafantatra sy mampivelatra izany ho an’ny rehetra. Manana fomba fijery mivelatra manoloana ny fototra ao aminy sy ny fandrosoan’ny tontolon’ny kanto maneran-tany.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto




