TARATRY ny KANTO

“Ny mpanakanto ve… Sa mpaminany sandoka?” Io no lohahevitry ny takalo am-pamoloana, izay hotontosaina rahampitso, manomboka amin’ny 2 ora, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hitarika izany i Lanto Ratsida, sosiology, ka hiainga avy amin’ireo tononkiran’i Dedesse sy ny Lôlô sy ny tariny izy amin’ny famakafakana. Eo koa i Pov, mpanao sariitatra matihanina, izay manana ny fijeriny momba ny lohahevitra.

Nodimandry i Alain Rabeson. Vaovao nampitain’i Nicolas Vatomanga, iray tamin’ireo mpanakanto akaiky azy, omaly. Iray amin’ireo fianakaviana Rabeson, manan-talenta amin’ny mozika i Alain Rabeson. Taranaka faharoa tamin’ity fianakaviana fanta-daza teo amin’ny tontolon’ny jazz sy ny mozika ankapobeny ity. Tany ivelany kokoa no tena niseharany teo amin’ny tontolon’ny mozika, satria sady nampianatra izy.

Nampidirina ho Mahaleo Taranaka i Mino Andriamazoto. Tanora mpitendry gitara, efa tazana niaraka tamina tarika maromaro toa an-dry Princio izy. Lehibe tanatin’ny hiran’ny Mahaleo ary efa tazana nandritra ny seho vitsivitsy izay nataon’ny tarika. Tsy zanaky ny mpikambana tao amin’ny Mahaleo izy, fa hanampy an-dry zalahy kosa, toy ny nataon’i Tojo Guitariste sy i Bibs ihany.

Partager sur: