Mifanaraha tsara aloha!

 

Nahavariana ny tsy fitovian’ny fanambarana nataon’ny samy henjana omaly, mahakasika ny fisamborana depiote iray. Mifanipaka an-karona sady imasom-bahoaka izy mianadahy? Tsy hidirana lalina ny votoatin’izay voalaza. Samy mpanao politika ireo, afaka ny mifandetika no mifampiaro. Ilay vahoaka tratry ny sangodim-panina fotsiny no manahiran-tsaina. Tsy mahagaga izany, raha ny fanaovana politika eto amin’ny tanàna.
Na inona na inona lazaina, ny mahafinaritra, omaly, dia ny fahitana ireo olona noheverina ho fahavalon’ny tolona, niaka-dapa. Tazana teny Tsimbazaza ny depiote anisan’ny nanohitra ny tolom-bahoaka sy nahaihay vava. Tsy nisy fanilihana ho an’ireo tsy mbola nesorin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Niverina ny olon’ny Irmar. Efa sahy miseho masoandro ny nisitrika.
Adalan’ny mpikambana amin’ny Antenimierampirenena koa aloha raha tsy hiray hina eo! Mbola mitohy ny fitakiana ny handravana izany andrimpanjakana izany, ankehitriny. Izay mitambatra no vato fa ny misaraka fasika, rahateo. Mira-mirona ho an’ny tombontsoa iombonana ny rehetra. Tapaka sotro fihinanana eo ny sasany raha vao mandeha ila. Hafa ihany ny mampitovy tadin-dokanga.
Samy manana ny tolony rahateo io. Samy miaro ny fihinanany sy ny asany. Iaraha-mahita fa samy miketriketrika avokoa amin’izao fotoana izao ny rehetra. Ny tetezamita, ahina ho tetezamiitatra rahateo. Porofon’izany, navadika ho minisitera ny mpikarakara ny fikaonandoham-pirenena. Voailika tanteraka ny FFKM, mitory tany an’efitra. Tsy hanaovana resabe, samy mandinika ny raharaham-pirenena dia maka lesona.
Samy mandray ny manandrify azy, samy tompon’andraikitra avy eo. Tsy mila mifanome tsiny sy mifampiampanga rahatrizay misy ny fikatsoana. Malagasy iray, miara-mizaka ny vokany na dia anatin’ny hadalan’ny tsirairay aza.

r.r

Partager sur: