Hiditra amin’ny andiany fahefatra ny “Spass Gasy”. Hetsika iray ho an’ireo Malagasy monina any Allemagne sy ny manodidina izy ity, izay hatao ny 24 mey izao, ao amin’ny Tivoli Club (Hohe Straße 14, 50667 Köln, Allemagne).
Araka ny nampitain’ny Mah’Event izay mpikarakara, ho avy manokana hanafana ny hetsika i Zakai. « Nanohina ahy ity fanasana ity, mba hahafahako mihaona amin’ireo mpiray tanindrazana ao Allemagne. Isaorako ireo mpikarakara manome fotoana iarahana sy hampiakarana ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena toy izao », hoy ny nambaran’i Zakai, mpanakanto anisan’ny miaka-daza amin’izao fotoana, izay nanao ny tapany voalohany tamin’ny seho nataon’i La Fouine sy Gazo farany teo.
Mazava loatra fa pi-maso ho an’ireo tanora malagasy any Europe ny fanafarana an’i Zakai. Hiaraka aminy mandritra izany ireo mpikosoka kapila, Malagasy, any an-toerana, toa an’i Kradeejay, Dj El Rico, Jordy, sns.
Misy fifaninana ara-panatanjahantena maro koa, toy ny taranja basket, sns, mantsy amin’io. Ankoatra an’ireo ny fampirantiana isan-karazany amin’ireo tranoheva. Ho any an-toerana koa ny ekipan’ny Madagaslam, haneho ny talentany amin’ny filalaovana ny teny.
Zo ny Aina




