TARATRY ny KANTO

Faribolana Sandratra. Ho avy hisoron’afo ny avy lavitra. Ho tonga eto an-dRenivohitra ireo mpikambana avy ao amin’ity faribolan’ny mpanoratra ity ka hanolotra antsa tononkalo nampitondraina ny lohateny « Soron’afo ». Hotanterahina ny 16 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora hariva, ao amin’ny Cercle Ger­mano-malagasy/GZ Analakely izany. Tsy hisy ny vidim-pidirana na ho an’ny mpisoron’afo na ho an’ny mpamindro.

Tsara ny miverina amin’ny fototra… Fa mety hitera-doza ny fihinanana amam-bolony. Nanjary mahay momba ny raokandro ny Malagasy. Tsy sahy manangan-javatra, raha tsy manatona mpanandro. La­sa mifanontany fomba amam-panao, sns. Tranga maneho fa liana amin’ny maha izy azy ny Malagasy. Mifanindran-dalana amin’izay, anefa, miparitaka haingana be ao anatin’ny fotoana fohy ireny karazana fifampizarana fahaiza-manao ireny. Mila mitandrina fatratra, satria, tsy vitsy ireo hevi-dravina heno etsy sy eroa.

Kendrena hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Indro kely, hoy ny mpandrafitra, noho ny hamehana, tsy indro kely intsony no mianjady amin’ny asatanana malagasy fa indro be. Manomboka mitombo indray ilay elanelana misy eo amin’ny « vita vazaha » sy ny « vita gasy ». Mety ho voatazona ihany, ohatra, ny bikan’ilay zavamaneno vita malagasy, fa ny feony, tsy tsara. Mila fanarenana haingana ity tranga ity noho ny fisian’ny fifaninanana lehibe ankehitriny.

Partager sur: