Nokapaina zava-maranitra : Nentin’ny olon-dratsy ny lohan’ilay ramatoa

Hifampitadiavana ny lohan’ilay renim-pianakaviana nisy namono, omaly. Tompon’ny trano fivahiniana Jardin de la Mer ao Mananjary ity lasibatra. Notombohana zava-maranitra ny tendany.

Maty nisy namono ny renim-pianakaviana iray, tao ambonagny, kaominina Manajary. Hita tao an-tranony, omaly maraina, ny razana, izay efa tsy nisy loha. Tompon’ny hotely Jardin de la mer izy. Ny mpiasa niditra maraina no nahita ny zava-nitranga. Izy ireo no nampandre ny polisim-pirenena. Nidina ifotony ireto farany. Natao ny fizahana ka hita fa notapahina tamin’ny zava-maranitra ny tendan’ilay renim-pianakaviana. Tsy mbola hita popoka ny lohany hatramin’ny fotoana nanoratana, halina. Nampiasa alika mpitsongo dia ny polisy, saingy niala maina. Manamafy ny zava-nitranga ny kaomisera, lehiben’ny polisy ao Mana­jary. « Nesorin’ireo olon-dratsy tamin’ny vatany ny lohan’ilay vehivavy ka lasan’izy ireo any. Ny mpiasa no nahita ilay mpampiasa azy efa nitsirara tamin’ny tany sy feno ra ka nampandre anay ma­nam-pahefana », hoy ny fanazavana voaray.
Niditra teo amin’ny varavarana ny olon-dratsy. Tsy nisy entana very ankoatra ny finday nampiasain’ilay lasibatra. «Niezaka niantso ny findainy izahay, saingy efa tsy tratra antso intsony », hoy ny mpanao fanadihadiana.

Ra feno dian-tongotra
Nandritra ny famotorana nataon’ny ekipan’ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana, nahitana dian-tongotra an’olona tsy fantatra ny ra nandriaka tao anatin’ny trano nisy ny vatana mangatsiaka. Tsy misy olon-kafa miaraka mipetraka aminy rahateo ao anatin’ny trano. «Niodinkodina nanerana ny tokotany fotsiny ihany ny alika mpitsongo dia, tsy hita izay tena nahavanon-doza », hoy ny loharanom-baovao.
Ahin’ny mpitandro filaminana ho olona mahafantatra tsara an’ilay ramatoa ihany no nahavanon-doza. Tsy mbola misy ny porofo ahafahana misambotra olona izay heverina ho tompon’antoka. Miroso amin’ny fanohizana ny fanadihadiana izy ireo, andrasana ny tohiny.

Tsiferana R.

Partager sur: