Ho fiatrehana ny loza voajanahary, toy ny rivodoza sy tondradrano dia misy ny atrikasa ny irahan’ny BNGRC sy ny mpiray ombon’antoka. Mifantoka amin’ny tetikasa tohanan’ny Vondrona eoropianina aty atsinanan’i Afrika sy ny ranomasimbe Indianina izany.
Momba ny asa mialoha, miompana amin’ny fanamafisana ny rafitra rehetra sy ny mpisehatra ao anatin’ny fiatrehana ny rivodoza sy tondradrano no natao teny Ivato, omaly. Faritra telo dia Analamanga, Sava ary Diana no misitraka izany ary haharitra roa taona. “Tanjona ny hanatsarana ny asa mialoha rehetra”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel.
Ny asa mialoha (asa an-tsoroka) no entina hanalefahana ny fiantraikan’ny loza voajanahary. Raha mandany vola 1 dolara amin’ny asa mialoha ny fanjakana sy ny mpiray ombon’antoka, raha ny fanazavana, dia mahazo 7 dolara raha tsara fiomanana, satria mihena ny vonjy hoentina. Rafitra ifotoran’ny fiomanana mialoha ny sampandraharaha misahana ny toetry ny andro sy ny BNGRC. Rehefa mandefa filazana fanairana ny meteo, ho an’ny rivodoza, miomana mialoha ny mpiantsehatra sy ny fanjakana miatrika ny ambana amin’ny fametrahana mialoha ireo fitaovana ampiasaina sy ny sakafo ilaina. Afaka manao famonjena mialoha ny fidiran’ny rivodoza ny mpiantsehatra ary misy fiantraikany goavana ho an’ny vahoaka izany.
Napetraka ny taona 2015 ny tany Atsimo
Efa tamin’ny taona 2015 no napetraka ny asa mialoha any amin’ny faritra Atsimo ho an’ny haintany. Ahafahana mitondra fivelarana amin’ny asa mialoha ho an’ny rivodoza sy ny tondradrano koa izany ho an’ny Afovoany sy Avaratra. Raha ny tetikasa ankehitriny, hahafehy ny asa mialoha daholo ny faritra manerana ny Nosy ho an’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza.
Efa maro ny mpiray ombon’antoka misehatra amin’ny asa mialoha amin’iny faritra Atsimo iny momba ny haintany. Fanamafisana ny fahaiza-manao hoentina miatrika ny asa mialoha ho an’ny rivodoza sy ny tondradrano kosa no apetraka ho an’ny faritra telo voalaza.
Vonjy




