Haharitra roa herinandro ny fanofanana ireo mpivarotra fanafody na Dépôt de médicament, tanterahin’ny INSPC etsy Mahamasina. Andiany fahafito ny fanofanana, hampitomboana ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’izy ireo. Hampanarahana ny toetrandro ny fahalalana manaraka ny fivoaran’ny karazana fanafody amidy sy ny fifehezana ny fitahirizana azy ireny ihany koa.
Hanampy ireo mpitantanana ny fivarotam-panafody amin’ny fandrindrana asa sy manome tolotra manara-penitra ho an’ny vahoaka izany. Saro-pady ny fanafody, indrindra ny fitahirizana azy sy ny fandanjalanjana ny karazana fanafody jifain’ny marary ka ilana fahamalinana tsara mba ho tena hahasitrana sy hitondra soa ho an’ny marary mila izany.
Eto Madagasikara, manana anjara toerana lehibe ny toerana fitahirizana sy fivarotana fanafody amin’ny fanamorana ny fahazoan’ny olona ny tolotra, indrindra any amin’ny faritra ambanivohitra sy saro-dalana. Manampy betsaka ireo mponina any amin’ny toerana alavitry ny renivohitra sy ny tobim-pahasalamana ny fisiany. Ahitana ireo fanafody filàna fototra amin’ny karazan’aretina mateti-pitranga, toy ny tazomoka sy ny aretim-pivalanana….
Tatiana A




