Napetraka ny fotodrafitrasa University innovation Pod (UniPod) ao anatin’ny tetikasa fampifandraisana ny fikarohana eny amin’ny oniversite sy ny toeram-pikarohana amin’ny sehatra tsy miankina, hiteraka asa.
Nanazava izany ny minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, omaly, teny Anosy.
« Fotodrafitrasa mipetraka eo amin’ny fitalevan’ny fikarohana sy ny haivao eny Tsimbazaza ny UniPod. Ahitana laboratoara maromaro ao anatiny. Hevitra iray avadika ho prototype ahafahana mivarotra azy, faharanitantsaina artifisialy (IA) sy robotika, angovo azo havaozina (angovo maitso), fanodinana ny vokatra sakafo hiantoka ny fanjarian-tsakafo », hoy kosa ny talen’ny fikarohana sy ny haivao ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Josie Dominique.
Voka-pikarohan’ny mpampianatra mpikaroka, mpianatra ary mpikaroka mpampianatra no iantefan’ny tetikasa. Efa manana voka-pikarohana maro ny mpikaroka izay azo havadika ho orinasa. Ho an’ny mpianatra kosa, ireo maniry handraharaha na hamolavola hevitra ahafahany mamorona orinasa no entanina, satria fikarohana no niantombohany fa havadika ho orinasa izany avy eo. Miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina ny mpianatra sy ny mpampianatra. Nambaran’ny filohan’ny sendikàn’ny indostria eto Madagasikara (SIM), Rasamimanana Tiana, fa mila tanora miditra hiasa ao aminy hamorona fitaovana na tetikasa enti-mampandroso ny orinasa eto Madagasikara izy ireo. Fandrindrana ny filan’ny orinasa sy ny fampianarana no ifantohan’ny fifandrasana eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny sehatra tsy miankina. Manohana ny tetikasa avy amin’ny tsirin-kevitra Timbuktoo, ny Pnud.
Hotokanana ny fotodrafitrasa
Afaka ampiasain’ny rehetra ny UniPod. Ho an’ireo manana finiavana hampandroso sy hevitra hamorona orinasa ary hojerena ny ahafahana manampy ny tanora.
Hotokanana ny faran’ny volana izao ny fotodrafitrasa UniPod ary hisy ny antso ho an’ireo liana amin’ny tolotra. Misy laharam-pahamehana ny sivana ho an’ny voka-pikarohana horaisina, ohatra, ny jiro sy ny fanjarian-tsakafo. Tombanana ny faran’ny taona no hisy zavatra mivaingana azo haseho momba ity tetikasa ity.
Vonjy




