INDRAY MIJERY

Handray anjara amin’ny tranoheva sy famelabelaran-kevitra mandritra ny FIM 2026, nanomboka omaly hatramin’ny 10 mey, ao amin’ny CCI Ivato, ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Amin’ny alalan’ny Ivontoerana momba ny Torohay sy fahalalana siantifika ary teknika (CIDST), ny Foibem-pirenena momba ny fikarohana ampiharina amin’ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra (Fofifa) ary ny Foibem-pirenena momba ny Fampianarana ampitain-davitra eto Madagasikara (CNTEMAD)no ahitana izany. Tanjona ny hampiroborobo ny fikarohana misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka sy ny fanatsarana ny fahafahan’ny tanora mahita asa.
Notanterahina tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny Lycée Technique Professionnel Ampefiloha, ny hetsika fanohanana sy fanarahana akaiky ireo mpirotsaka amin’ny Validation des acquis de l’expérience (VAE) ho an’ny Guide accompagnateur national (GAN).
Nanome torolalana sy fanazavana momba ny fizotry ny fanombanana, ny fanomanana ny antontan-taratasy ary ny fanarahana ireo fepetra sy dingana ara-panjakana ny tomponandraikitra. Ho fanamafisana ny fahavononan’ireo mpirotsaka hiatrika ny dingana manaraka izany. Tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny minisitera amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny loharanon’olombelona sy fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny fizahantany, amin’ny alalan’ny fanamarinana ara-dalàna ny traikefa sy ny fahaiza-manao efa ananan’ireo matihanina, ny hetsika.
Manomana fiofanana ho an’ny mpampianatra Fram, mifanaraka amin’ny lentam-pahaizan’ny mpampianatra tsirairay ary mamaly ny fenitra takina amin’ny asa fampianarana, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Tafiditra anatin’ny fanatsarana ny kalitaom-pampianarana eto Madagasikara izany. Misy atrikasa eny Ambohidratrimo, nanomboka ny alatsinainy, hifarana rahampitso, hanomanana ireo fiofanana hatolotra azy ireo mifanaraka amin’ny lentam-pahaizan’ny tsirairay. Ao anatin’izany ihany koa ny fanomanana ireo fitaovana ara-pedagojika enti-manatanteraka ny asa.

Partager sur: