Vovonana fara-tampony eo amin’ny rafitra mifehy ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi. Mpi.Ma maneran-tany) ny fanatanterahana ny Zaikabe. Ho an’ity taona ity, any Mahajanga ny ambohipihaonana.
Hanomboka ny 27 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra 2026 no hanatanterahin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany) ny Zaikabe any Mahajanga. Io no rafitra fara-tampony eo amin’ity fikambanana lehibe sy zokiny indrindra amin’ny fampivelarana ny tontolon’ny kabary ity.
Mandritra ny Zaikabe no hanaovana tatitra ireo zava-nisy sy natrehin’ny fikambanana tao anatin’ny efatra taona. Handraisana fanapahan-kevitra ny amin’ny hanatsarana ny efa-taona ho avy. Hanatanterahina ireo fifidianana isan’ambaratonga eo anivon’ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany ihany koa. Tsy ny eto an-toerana ihany fa manatrika izany ihany koa ny avy any ivelany. Misy rahateo ny fiofanana sy ny fanatevenam-pahalalana ho an’ireo tompon’andraikitra misahana ny fampianarana, sns.
Mialoha ny Zaikabe any Mahajanga, ny alarobia 22 jolay, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Fanamarihana ny faha-20 taona naha filohan’ny Fi.Mpi. Ma an’Andriamboavonjy Hanitriniaina Ravaomalala, sy faha-25 taona nizarana ny kanto an-kabary izany. Zoma 24 jolay, manomboka amin’ny 12 ora atoandro, ao amin’ny Tana Palm Ankaditoho no hanatontosana ny Sahobin’ ny mpikabary.
Ho an’i Madagasikara manokana. Noraisin’ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany ho fizaram-paritany ao aminy ireo Faritany 6 nisy teo aloha miampy an’Antsirabe. Tany Fianarantsoa no nanaovana ny Zaikabe, ny taona 2022.
HaRy Razafindrakoto




