Sanganasan’i Bessa sy Lôla: Haverin’i Farakely sy i Rija Ramanantoanina

Efa nisy tamin’ny taona 2023… Ary hita fa tsara sy be mpankafy izany, ka hiverenana indray. Ilay fampiaraham-peon’i Farakely sy i Rija Ramanant­oanina, izay namerina ny sanganasan’i Bessa ranofotsiny io. Hatao ao amin’ny CCEsca toy ny mahazatra ny seho, rahampitso alahady 10 mey, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hibahana ny fampiaraham-peon’olon-droa, lahy sy vavy, tahaka ny nanaovan’i Bessa sy i Lôla azy. Raha ireny fotsiny aza tsy vita anatin’ny seho iray…
Antony hanohizan’i Farakely sy i Rija ny seho izany, ka hisy hiova kely noho ny tamin’ny 3 taona lasa ny fandaharan-kira. Hira 40 eo no nosafidian’ireto mpihira ireto, izay halahatra anatin’ny ora telo mahery. Tsy misy mpihira hafa amin’ity, fa tena izy mianadahy irery no hamelona ireo fampiaraham-peon’i Bessa sy Lôla ireo. Efa mpitendry nanaraka an’i Bessa taloha rahateo ireo hitrotro ny fampisehoana. Tsy misy mivaona amin’ny rindra fototra ireo hira, saingy misy ihany ny loko hapetrak’ireo mpanakanto mpamerina, hanaingo ireo sanganasa tsy lefin’ny taona ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: