Ny fitaovana efa tonta sy tsy mahazaka ny filàna intsony no mahatonga ny fahatarana amin’ny famoahana kopia amin’izao fotoana. Io ny fanazavana nentin’ny tomponandraikitry ny kaominina Antananarivo Renivohitra manoloana ny fitarazohan’ny asa famoahana kopia nahaterahana eny amin’ny boriborintany.
Efa tranainy ny ordinatera sy ny kojakoja miaraka aminy, toy ny serveur, imprimante ary rafitra biométrique. Nidina teny amin’ny Boriborintany faha-III sy faha-V mihitsy ny PDS Antananarivo Renivohitra ary nahita maso ny filaharambe sy ny olana amin’ny famoahana izany.
Nihaino ny hetahetam-bahoaka sy nifampiresaka tamin’ireo mpiasa sy olom-pirenena niandry ela teny an-toerana ny tenany.
Nohamafisiny fa tsy ekena ny asa mitarazoka ary tsy hisy fandeferana amin’ny kolikoly.
Ho fanatsarana izany dia hiasa manomboka amin’ny 5 ora maraina ka hatramin’ny 10 ora alina ny ekipan’ny Boriborintany faha-V.
Niala tsiny amin’ny vahoaka ny PDS noho ny fahatarana ary manome toky fa hitohy ny ezaka hamahana haingana ny olana. Tanjona ny hahazoana antoka fa tsy hisy olom-pirenena na mpianatra ho voasakana noho ny olana ara-pitantanana.
Ilaina any an-tsekoly amin’ny fanisana mpianatra sy famoahana laharana tokana ny kopia lava ka izany no maha betsaka ny ray aman-dreny tonga milahatra manao kopian-janany eny amin’ny Boriborintany
Tatiana A




