Hikarakara ny fankalazana miavaka ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana, ny 05 sy 06 jona 2026, eny amin’ny Parvis Analakely, ny CUA sy ireo minisitera tompon’andraikitra. Hetsika hampifanakaiky ny fikarohana siantifika sy ny vahoaka. Hanentanana ihany koa ny tanora, indrindra ny mpianatra eny amin’ny oniversite, izany.
Ho fanatsarana ny fotodrafitrasa eny Anosizato, sarona lakandrano vita amin’ny vy mirefy 6 metatra no nasiam-panamboarana. Nisy ny fanadiovana mialoha mba hiantohana ny fahatomombanan’ny asa. Naharitra 3 andro ny fanamboarana. Fananana iombonana ireny lakandrano ireny ka samia saro-piaro amin’ny fiarovana azy.
Mpisehatra anatin’ny fitantanana ny loza sy ny tandidonin-doza ny Croix Rouge Malagasy izay nankalaza ny Andro iraisam-pirenena, ny faran’ny herinandro teo. Hiray hina ho an’ny maha olona ny lohahevitra tamin’izany. Fampirantiana tamin’ny tranoheva momban’ireo asa iantsorohany, niarahany tamin’ireo mpisehatra mitovy andraikitra no nifantohan’ny fankalazana. Tafiditra anatin’izany ny BNGRC.




