Mananjary : Tranga voajanahary ny fiakaran’ny ranomasina

Nanaitra ny mponin’i Mananjary ny fiakaran’ny ranomasina tampoka tsy nisy fampitandremana voaray ny maraimbe, ny sabotsy teo. Nitondra fanazavana ny sampandraharaham-paritry ny toetry ny andro ao Vatovavy mahakasika io fiakaran’ny ranomasina tany an-toerana io.
“Nifanojo tamin’ny fisian’ny alondrano antonony avy any atsimo ny fotoan’ny fiakaran’ny ranomasina tamin’io sabotsy maraina io, manodidina ny morontsirak’i Mananjary. Lasa nanamafy ny fiakaran’ny ranomasina an-tanety izany”, hoy izy.
Efa tranga ara-boajanahary ny fiakaran’ny ranomasina. Raha ny toetry ny andro tamin’io fotoana io, tokony ho 1,5m hatramin’ny 2 m ny haavon’ny onja, tany an-toerana. Nisy koa ny alondrano avy any atsimo izay nahatratra 1m, maridrefy izay tsy mbola atahorana mihitsy, araka ny fanazavan’ny mpamantatra ny toetry ny andro hatrany.
Mbola ao anaty fotoana fisintonan’ny volana ny ranomasina ety ambonin’ny tany ihany koa isika izao, raha ny fanazavana ka mahatonga ny haavon’ny ranomasina.

Tatiana A

Partager sur: