Nanjary sadasada ny Malagasy : Misy lesoka lehibe ny fanabeazana

Ny ray aman-dreny, mpitaiza sy mpanabe. Fahiny, mitombina sy tsara fototra io. Ankehitriny, mitsingilaila tanteraka izany. Misy lesoka lehibe ny fanabeazana. Ny ray aman-dreny mihitsy no mampirisika ny zanany hanaotao foana. Mety tsy mivantana fa an-kolaka ny fisehon’io tranga io. Avy amin’ny tsy fandraisana andraikitra, ohatra. Tany ambadik’Imanareza, ny zanaka tiana tsy hitsitsiana rotsankazo. Amin’izao fotoana, tsy azo kapohina, hono, ny zaza (fomba fanao any amin’ny firenena matanjaka)… Dia tsy mikapoka ihany koa ny Mala­gasy. Ray aman-dreny fa tsy mikapoka? Zaza manao ny tsy mety, fa tsy kapohina? Sai­ka nanjakan’ny tranga tahaka izany ny ankamaroan’ny fiarahamonina eto Mada­gasikara. Nanjary sadasada ny Malagasy.
Lasa fomba fiaina mahazatra ny mampiray lalana ny zava-mifanohitra. Satria, mi­he­vi-tena ho vahiny. Tsy ma­nome lanja intsony ny fady. Mieritreritra fa tsy misy ny tody. Tonga hatrany amin’ny fanivaivana ny maha izy azy manontolo (razana nipoirana, fomba amam-panao…). Nan­ja­ry sadasada ny Malagasy.
… Hatramin’izao, mbola tsy manangasanga eo amin’ny Malagasy sasany ny fahafantarana ny lamina voajanahary. Io, anefa, no laharam-pahamehana hoenti-manarina ny maha sadasada ny Mala­gasy. Raha tsy izany, tsy hijanona sadasada fotsiny, intsony, ny Malagasy fa hiofo ho…

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: