Mamo nikiry nitondra moto : maty tsy tra-drano voahosin’ny kamiao

Maty tsy tra-drano ny tovolahy iray, omaly, tany Toamasina. Mamo, nikiribiby nitondra moto izy. Nianjera tany ambany kamiao rehefa avy nandona mpitarika posy. Vokany, maty notetezin’ny kodiarana.

Nandriaka ny ra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Toama­si­na, omaly tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Tovolahy iray tokony ho 25 taona, maty voahitsaky ny kamiao. Niseho teo akaikin’ny fivarotana gastro pizza Miami ny loza. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny olona nanatri-maso, mamo tampina io lehilahy io nefa mbola nitondra moto ihany. Ni­vilavila izy teny an-dalana, nefa sady nandeha mafy. Nifandona tamina posy iray izy vao nandingana dimy metatra ilay toeram-pisotroana nisy azy. Nika­sa hisongona ity farany izy, nandritra izany, ka nianjera tany ambany kamiao iray izay nifanena taminy. Notetezin’ny kamiao ny lohany sy ny ilam-batany iray manontolo ka vaky ary nandriaka ny ra. Vokany, maty tsy tra-drano ny tenany. Fantatra fa tapaka tanteraka sy niala tamin’ny vatany ny feny iray. Mbola nisy nahita nisotro zava-pisotro misy alikaola tao amina toeram-pisotroana iray any an-toerana izy ny tapakandro maraina tontolo. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny polisim-pirenena avy ao Toa­ma­sina sy ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana (BAC) ary ny avy amin’ny BMH. Naterina eny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly Be Toa­ma­­sina ny razana taorian’ny tranga.

Mpitarika posy iray hafa maty
Ankoatra izay, lehilahy iray tokony ho 30 taona, mpitarika posy, maty nodomin’ny fiara, camionnette marika Merce­des-Benz, iray tany an-toerana, afakomaly tamin’ny 2 ora sy sasany hariva. Niseho teo amin’ny Lalampasika, mitsofoka amin’ny La marmite Barika­dimy, ny loza. Raha ny fanazavana voaray, nandeha mafy ny fiara ka tsy nahatana ny familiana ny mpamily. Nifatra­tra sy nandona posy iray ny fiara, noho izany. Naratra vo­katry ny dona nahazo azy ity farany. Nentina haingana tao amin’ny clinique Bethany Man­garano ity lehilahy ity saingy tsy tana ny ainy. Efa eo am-pelantanan’ny fianakaviana kosa ny razana taorian’ny fizarana ny tranga tao amin’ny tambajotra an-tserasera, omaly.
Marihina fa mitana ny laharana voalohany mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny fahamamoan’ny mpamily, raha ny any Toamasina. Enta­nina hatrany, araka izany, ny mpamily rehetra mba tsy hampiaraka ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola sy ny fa­miliana, hisorohana ny lozam-pifamoivoizana.

Sajo/Mino

Partager sur: