Telo volana taorian’ny fandravan’ny rivodoza Gezani vao tonga eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy, Toamasina, ny fanitso miisa 2 772 isa hanafoana ny tranon’ny mpianatra “Conaco” miisa 22.
Misy kojakoja feno hampiasaina miaraka amin’ny fanitso: faîtière galva miisa 440, cornier galva miisa 4 400 sy loko izay mitotaly 487 405 600 Ar. Niainga tamin’ny fihaonan’ny vondrona mpianatra tao Barikadimy tamin’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena misahana ny faritany Toamasina, Razara Pierre, no nahitana ny fanampiana tamin’ny alalan’ny tetikasa Farimbona. Ny BNGRC kosa no niantoka ny fahatongavany tao amin’ny campus Barikadimy. Avy amin’ny fangatahan’ny mpianatra izay nihaona mivantana tamin’ny VPan faritany Toamasina no nahazoana ny fitaovana fanarenana satria zava-dehibe ny fifampiresahana, araka ny nambarany. Ho an’ireo tranon’ny mpianatra miisa 22, ny mpianatra ihany no hametraka ny tafo satria tsy maintsy mandroso ny asa fanarenana.
Amin’ny ankapobeny, nahatratra hatramin’ny 95% ny fahasimban’ny fotodrafitrasan’ny oniversiten’i Toamasina, ahitana birao, efitrano fianarana, tranon’ny mpianatra, raha ny nambaran’ny filohan’ny oniversite, Dr Razanakolona Diny. Nohamafisiny fa nisy fiaraha- miasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka maro nanarenana izany, toy ny seranan-tsambon’i Toamasina, nandray an-tanana ka trano fianarana 10 no efa vita tafo. Ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara ihany koa nisahana trano 10, tamin’ny alalan’ny ONG Soa. Ny orinasa Orange nikarakara ny trano famakiam-boky sady nametraka box famahanana finday sy Wifi maimaimpoana ho an’ny mpianatra ary nambarany fa ampiana rihana iray ity trano famakiam-boky ity.
Ny trano rihana telo kosa dia ny Fonds commun de l’éducation (FCE) no hisahana ny fanamboarana azy. Mitotaly 78 ny fotodrafitrasan’ny oniversiten’i Toamasina niharan’ny fahasimbana ka ny 30 amin’ireo no mbola tsy nisy fanarenana. Nilaza hanohana ny banky foibe fa saingy tsy hita taratra hatreto
Sajo




