Ady amin’ny fahapoizinana ara-tsakafo : Natao ny fanombanana ny rafitra nasionaly

Nanatanteraka atrikasa fa­nombanana ny rafitra fanaraha-maso nasionaly fiarovana sy fiantohana ny fahasalaman’ny sakafo ny ivontoerana misahana ny fanaraha-maso ny fahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo tamin’ity herinandro ity, tany Ampefy.
Andry iankinan’ny fahasalamam-bahoaka sy singa iray miantoka ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena ny fiantohana ny fahasalaman’ny sakafo.
Eto Madagasikara, loza mitatao ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny aretina avy amin’ny sakafo, indrindra fa ny fahapoizinana ara-tsakafo sy vokatry ny fihinanana biby an-dranomasina
Na dia eo aza ny fisian’ny rafitra fanaraha-maso amin’ny sehatra maro samihafa, toy ny fahasalamana, fambolena, jono, tontolo iainana, varotra… Tsapa fa mbola tsy misy ny fenitra iraisana amin’ny tondro ny rafitra ankehitriny, ary olana ny fifampizarana vaovao.
Anisan’ny antony nanaovana ny atrikasa fanaraha-maso ny fiarovana sy fiantohana ny fahasalaman’ny sakafo izany. Natao ho fanatsarana ny fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny fomba fiasa “Fahasa­lamana Iray” (One Health) ihany koa.
Dingana lehibe ity hetsika ity amin’ny fanatsarana ny fiarovana ny vahoaka amin’ireo loza ateraky ny sakafo voaloto sy amin’ny fanamafisana maharitra ny rafitra fanaraha-maso ara-pahasalamana nasionaly.

Tatiana A

Partager sur: