Mahazo vahana ny famonoan-tena tato ho ato. Voamarika fa ny lehilahy, tsy mahazaka olana ara-pitiavana, matetika no manao izany. Tovolahy iray nananton-tena teny Ampasimandinika, omaly. Telo ny tranga voaisa tanatin’ny herinandro vitsy.
Tsy nahazaka olana ara-pitiavana teo aminy sy ny sakaizany, namono tena ny tovolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Flavien, tao amin’ny kaominina Ampasimandinika, distrikan’i Brickaville, omaly maraina. Vatana mangatsiaka, efa nihantona tamin’ny tady teo amin’ny hazo lehibe iray, no nanaitra ny manodidina.
Nanana olana tamin’ny olon-tiany ilay tovolahy vao 27 taona, araka ny fanadihadiana natao tamin’ny fianakaviana akaiky azy. Tsy fantatra mazava ny anton’ny tsy fitovian-kevitra teo amin’izy roa. Tsy nisy nahita ny nanaovany io fihetsika mampihoron-koditra teo ambony hazo io. Nikoropaka hanavotra azy ny fokonolona saingy efa tsy nisy aina intsony tamin’izay fotoana nahitana azy izay.
Tsy mahazaka
Tao anatin’ny roa volana, lehilahy miisa telo hita faty nananton-tena tamin’ny tady ka namoy ny ainy. Olana ara-pitiavana avokoa no nanosika ny roa tamin’izy ireo haka vahaolana hafahafa tahaka izao. Voasaringotra tamin’ny halatra ny fahatelo. Ity farany izay nandositra ny mpitandro filaminana sy ny ray aman-dreniny. Ny vatana mangatsiakany no hita faty nihantona tamin’ny tady teny amin’ny kaominina Ambohitrabiby.
Ankoatra ireo, vehivavy iray koa maty rehefa namono tena taorian’ny alahelo tamin’ ny fahafatesam-badiny, ny herinandro lasa teo. Taratry ny faharefoan’ny tanora amin’izao fotoana sy tsy fahazakana ny sedra lalovana amin’ny fiainana daholo ny famonoan-tena miseholany tato ho ato.
Sajo




