Valiha Académie : Hofohazina ny lalao fahiny

Tsy hijanona fotsiny amin’ireo sampana efa misy sy velona ao aminy ny foibe fikarohana sy fampianarana momba ny kolontsaina malagasy « Valiha Académie », fa hiroso amin’ny fanatevenana izany. Fantatra, omaly, fa hofohazin-dry zareo ireo lalao fahiny. Hanana endrika tari-dalana izany, amin’izao vao manomboka izao, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Ireo zaza sy ankizy no hampahafantarina sy hampianarina voalohany ireo lalao fahiny sahaza ny taonany. Ani­san’ireny ny fanoron-telo, ny ankamantatra, ny ankifidy, sns.
Fantatra fa ity foibe ity no iray amin’ireo toeram-pampianarana valiha tranainy indrindra raha ny teto Antananarivo. Hafatra mafonja nampitain’ireo raiamandreny nanangana kosa ny hampianarana sy hanelezana ary ny hiainan’ny Malagasy ny kolontsainy sy ny zavakantony. « Antony hampivelarana tsy miato ny sehatra sahaniny ny fisian’io hafatra io”, hoy hatrany ny tomponandraikitra. Na izany aza, nomarihiny fa ankoatra ireo mpampianatra sy mpikaroka ao amin’ny Valiha Académie, « miara-miasa amin’ireo mpampianatra sy mpikaroka ary mpandalina momba ny kolontsaina sy zavakanto malagasy izahay. Eo ihany koa ireo mitovy fomba fijery sy tanjona aminay » hoy izy ireo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: