Alahadin’ny Paska taona 1981. Nanomboka nihira tao amin’ny fitandremana Ambohitantely ny Chorale Maintimolaly Ambohitantely na ny « CMA ». Nanakoako tamin’izany ny hira « Tsy voavaly », sanganasan’i Bessa sy « Meloka voavonjy » nosoratan’i R. Victor Andriamialy… Omaly, alahady 17 mey 2026, notanterahina teny an-toerana (FJKM Ambohitantely) ny fanompoam-pivavahana ho fanokafana ny faha-45 taonan’ity antoko mpihira manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny fitoriana an-kira sy fotoam-bavaka ity.
Fantatra nandritra ny fotoam-panokafana, omaly, fa maro ireo hetsika hotanterahin’ny CMA mandritra ny fotoam-pankalazana izay tsy hifarana raha tsy amin’ny avrily 2027. Jona 2026, hanatanterahina ny fandaharanasa sosialy « Raiso », hiompana fifanakalozana amin’ireo tanora voafonja. Volana aogositra, asa fitoriana hotanterahina any amin’ny faritany. Ny faritra atsimon’ny Nosy na ny « Grand Sud » no tafiditra ao anatin’ny vina. Volana septambra, fanohizana ny tafika masina eny amin’ny Vohitsara FJKM.
Mitohy ny zoma 2 oktobra. Hanatanterahina ilay fampisehoana rindrankira an-tsehatra ho an’ny fankalazana ny faha-45 taona. Mandritra ity seho ity ihany koa no hamoahana ny rakikiran’ny CMA. 22 novambra « Alahadin’ny CMA », ivon’ny fankalazana. Fotoana hiarahabana ireo mpikambana ao amin’ity antoko mpihira ity sy fizarana « Certificats » samihafa. 5 desambra, sakafo ho an’ny fanakalazana ny faha-45 taona. Ny alin’ny 24 desambra, « Concert de Noël ».
Janoary 2027, velakevitra momba ny maha laika (laïcité), miaraka amin’ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi. Febroary 2027, kaonseritra ho an’ireo mpikambana atao amin’ ny CMA efa nodimandry. Avrily 2027, fanompoam-pivavahana hamaranana ny fankalazana sady hanoloran’ny CMA ny tsangambato nomaniny.
HaRy Razafindrakoto




