Tanora ao anatin’ny hafanam-po, iray vina, iray tanjona. Zava-nisy sy niainanana nandritra ny antsa tononkalo « Soron’afo » niarahana tamin’ny Faribolana Sandratra Tsiroanomandidy ny sabotsy teo, tao amin’ny Cercle Germano Malagasy/Goethe-Zentrum Analakely.. Narehitry ny « Soron’afo » indray ilay fitiavana ny tononkalo sy ireo soa sy kanto tovozina ao aminy. Tahaka izany ihany koa ny fanehoana fa : «… Mbola misoron’afo ary tsy hamela azy hitsilopy izahay. Mbola tsy mitsaha-miketrika ny soa sy ny kanto indrindra ho an’ny mpianoka ny soratra ihany koa. Vonona ny hitondra aina vao hatrany eo amin’ny sehatry ny literatiora sy ny fanandratana avo ny teny malagasy ».
Avy amin’ireo antsa niainga avy eny an-tsehatra no nahatsapana fa nampirehetin’ny Faribolana Sandratra Tsiroanomandidy ny afon’ny fitiavan-tanindrazana, ny fihavanana, ny fifankatiavana, sns. Nifoha sy nirehitra nanaraka izany ihany koa ny afo maha malagasy ananan’ireo mpijery tonga maro teny an-toerana.
Nandray anjara tamin’ny antsa « Soron’afo » i Hanitry Ny Zavona, Haintso Nirina, Tamberina, Myrte, Jax, Claudia yrin’art, ary Aingampanahy Feon’ny Saina. Nandravaka an-kira i Ankoay sy Ralanto.
HaRy Razafindrakoto




