Nampahafantarina ny herinandro lasa teo, ny fanamboarana fitaovana ampiasaina amin’ny toeram-pivoahana Sato Pan vita eto Madagasikara. Iarahana amin’ny sehatra tsy miankina Sato ratsan’ny orinasa japoney LIXIL sy ny orinasa SMTP an’ny vondrona Inviso izany. Fitaovana vita amin’ny akora plastika. Azon’ny tokantrano ampiasaina ary efa amidy eto Antananarivo, Antsirabe, Ambositra ny fitaovana. Miara-miasa manohana ity tetikasa ity ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana sy ny Unicef ary ny masoivohon’i Japon eto amintsika.
Hanampy amin’ny fisitrahan’ny tokantrano fidiovana ny famokarana ny fitaovana eto an-toerana. Araka ny fanadihadiana momba ny toe-piainan’ny ankohonana 2025, ny 93% ny tokantrano tsy manana toeram-pivoahana fototra ary mangery ankalamjana ny 40%. Vahaolana ny famokarana ny Sato Pan satria natao amin’ny vidiny zakan’ny tokantrano malagasy ity fitaovana ity ary tombanana fa hahomby, hoy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, Christine Jaulmes.
Efa nampiasaina any Taolagnaro ny fitaovana ho an’ny toeram-pivoahana Sato Pan eny anivon’ny tokantrano 3 000 izay naneho ny fahafaham-pony. Namorona asa rahateo ho an’ny mponina any an-toerana ny fikojakojana ny fitaovana iarahana amin’ny sehatra tsy miankina.
Vonjy




