Efa nahazo 3 tapitrisa Ar tamin’ny volabe notakiany tamin’ny ray aman-drenin’ilay zazavavy 6 taona natao takalonaina ireo mpaka an-keriny, tao Mahitsy, ny 16 mey teo. 11 mianadahy hatolotra ny fampanoavana.
Saron’ny zandarimaria ireo olon-dratsy ka avotra soa aman-tsara ny zazavavy 6 taona takalonaina, tao amin’ny fokontany Masinandriana, kaominina Mahitsy, ny sabotsy 16 mey teo. « Notazomin’ireo mpaka an-keriny nandritra ny efatr’andro io zazavavy io », hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria miasa ao Mahitsy. Nipetraka tao amin’ny renibeny ilay zaza tamin’ny fotoana nangalaran’ireo tsy valahara azy. Tompon’antoka ny lehilahy iray efa nonina tao amin’ny ray aman-drenin’ilay zaza nandritra ny herintaona. « Efa nahafantatra ny fiainan’ny ray aman-drenin’ilay zaza sy nahita ny zavatra rehetra tao amin’ilay fianakaviana izy », hoy ny zandary. Nihevitra hahazo volabe io lehilahy io ka nanita-kevitra naka an-keriny an’ilay zazavavy, ny alatsinainy 11 mey lasa teo. Nametraka fitoriana ny ray aman-drenin’ny zaza. Avotry ny zandarimaria io takalonaina io taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’izy ireo. « Nokasaina hovonoina ilay zaza raha toa ka tsy azo avokoa ny lelavola notakina », hoy ny fanazavana.
Nampangain’ny finday
Voasambotra tamin’ny alalan’ny fanadihadiana ny vehivavy sakaizan’ilay lehilahy naka an-keriny an’io zazavavy io. Nisy olona hafa voatazona satria nampiasa ny laharana finday nampiasan’ireo mpaka an-keriny nangatahana ny lelavola ho solon’ny famotsorana ilay zazavavy. « Nitaky 100 tapitrisa Ar tamin’ny ray aman-drenin’ilay zaza ireo mpaka an-keriny ireo », hoy ny loharanom-baovao marim-pototra. « Efa nahazo 3 tapitrisa Ar tamin’io vola io ireo olon-dratsy », hoy ny zandary. Nitohy ny famotorana ka tafakatra 11 ireo voasaringotra, hatramin’ny omaly. Lehilahy ny efatra raha toa ka vehivavy avokoa ny fito amin’izy ireo.
Tsiferana R.




