ireo tantsaha eny Laniera : Mitaraina amin’ny fandravana

Velon-taraina ireo tantsaha eny Laniera fa nisy nanafika ny fotodrafitrasa eo amin’ny Lac Iarivo. Efa nisy ny fandravana izany teo aloha nataon’ireo vatan-dehilahy “gros bras”.
Efa tafatsangan’ny vahoaka ny fotodrafitrasa hatramin’ny birao saingy nisy olona tonga teny amin’ny secteur 12 niaraka tamin’ny polisy, ny alahady teo. Ny alatsinainy alina, nisy ny fanafihana ka tsy fantatra na mpanafika na olona avy aiza ireo mpandrava.
« Potika indray ny fotodrafitrasa izay efa natsangana fanindroany”, hoy ny mpitarika ny tantsaha, Ramarokoto Ray­mond.
Misy anefa ny lalàna mifehy ny fanotofana tany sy ny fananan-tany. Tsy maintsy hahazoana alalana avy amin’ ny kaominina sy ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany, amin’ny alalan’ny Matac, ny fanorenana trano amin’iny toerana eny Laniera iny.
Efa nisy ny didim-pitondrana laharana faha-056 MID/­ Pref.Pol mametra ny hamolavolana drafi-panajariana antsipirihany ao amin’ny lalana Tsarasaotra Ivato sy ny fametrahana fepetra fitandremana anatin’ny faritra voakasik’io drafi-panajariana io.
Nanomboka ny 8 avrily 2026, voalaza ao amin’ny andininy faharoa ao amin’ny didim-pitondrana navoakan’ny prefet an’ny polisin’Anta­na­narivo fa misy ny fotoam-piarovana “période de sauvegarde” izay mandrara ny fifampiraharahana rehetra momba ny tany sy ny fanomezan-dalana hanorina. Tsy azo ovaina ny fampiasana ny tany ambolena amin’ny datin’io didim-pitondrana io.

Tatiana A

Partager sur: